airtel

Actualités

19-févr-2025

Rano miakatra eto Antananarivo sy manodidina

Sample post image

Niverina ny fampitandremana ny amin’ny loza mitatao na fampitandremana miloko mena

19-févr-2025

ho amin'ny lemak' Antananarivo, izay mahakasika kaominina maromaro. Tafiditra amin’izany ny Kaominina Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe, Masindray, Ambohimanambola. Ambohijanaka, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ankadimanga, Ambohitrimanjaka, Ampangabe, Antananarivo IV, larinarivo, Sabotsy Namehana, Ankadikely llafy, Ambohibao Antehiroka, Talatamaty, Antananarivo VI, Jarinarivo. Ho an’ny Reniranon’i Sisaony, 1,60 m ny haavon'i teo amin'ny mari-drefin'Andramasina omaly tamin’ny 4ora tolakandro. Niakatra 0,01 m ny rano tao anatin'ny 02 ora ary miankina amin'ny toetrandro ny fizotrany mandritra ny 24 ora manaraka. 3.28 m ny haavon'i Sisaony eo amin'ny mari-drefin' Ampitatafika. Nidina 0,03 m ny rano tao anatin'ny 02 ora ary miankina amin'ny toetrandro ny fizotrany mandritra ny 24 ora manaraka. 3,50 m ny refy fampitandremana mena (loza mitatao) eo Ampitatafika. Ho an’ny Reniranon’Ikopa, 3.26 m ny haavony teo amin'ny mari-drefin' Ambohimanambola. Niakatra 0,01 m ny rano tao anatin'ny ny 02 ora ary mbola hiakatra. Ho tratra ny refy 3,50 m refy fampitandremana mavo ( loza manambana) ao anatin'ny 12 ora manaraka. 4,50 m ny refy fampitandremana mena (loza mitatao) co Ambohimanambola.3,61 m ny haavon Ikopa co amin'ny mari-drefin'i Bevomanga. Niakatra 0,03 m ny rano tao anatin'ny 02 ora ary mbola hiakatra mandritry ny 12 ora manaraka. 4,00 m ny refy fampitandremana mavo (loza manambana) eo Bevomanga. MIATO NY FAMPIANARANA HO AN’NY ANIO Nampita ny DREN Analamanga, fa noho ny mbola fisian'ny filazana loza miloko mena ho an'ny fiakaran'ny rano sy ny mety ho fitohizan'izany ho an'Antananarivo, araka ny fampitandreman'ny BNGRC sy ny tapaka teo anivon'ny " comité de vigilance" dia tsy mianatra ny mpianatra ho an'ireto CISCO voalaza ireto ny alarobia 19 febroary 2025 : CISCO Antananarivo Renivohitra, CISCO Antananarivo Atsimondrano, CISCO Antananarivo Avaradrano, CISCO Ambohidratrimo.CISCO Manjakandriana, CISCO Anjozorobe. Miverina ny fampianarana ny alakamisy 20 febroary 2025 raha tapitra ny fampitandremana mena avy amin'ny BNGRC.
Toky R 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap