Ranobe manerana ny arabe ara-bakiteny izay teo foana na andro maina, indrindra moa fa amin’izao avy orana izao. Simba ny fiveloman’ireo mpivarotra eny an-toerana, vokatr’io, ho fanazavan’ireo mpivarotra isan-karazany manamorona ity arabe tondraky ny rano efa lasa mandava-taona ity. Milaza ho tsy mahita toerana hafa ivarotana intsony nefa ireo mpivarotra, noho ireo toerana any an-kafa efa voafandrika. Ny tsena kosa tena nidina niha tsy nandeha hatrany, hoy hatrany ny fitarainan’ireo mpivarotra. Raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny SMA na «Société mutuel d’assainissement», izay orinasa voatokana amin’ny fanadiovana an’Antananarivo kosa, dia efa mandeha ny asa fisokirana ireo lakandrano fivoahan’ny rano eny an-toerana. Ny olana, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’Antananarivo renivohitra, Alexandre Georget, dia feno fanorenana tsy ara-dalàna eo amin’io toerana tondraky ny rano ankehitriny io. Lavitra ezaka, hoy izy, noho izany, ny fanarenana ilaina atao raha ny mikasika ireny toerana tondraky ny rano isaky ny rotsak’orana eto Antananarivo ireny ary mila miandry ny ben’ny tanàna vaovao izay lany eo fa tsy vitan’ny resaka 2 na 3 volana ny fanarenana an’io.
Nangonin’i J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.