airtel

Actualités

05-janv-2023

Actualités

Ranon’orana milatsaka mandritra ny 5 volana Tokony ho ampy ny tokantrano iray ao anatin’ny herintaona

Sample post image

Ahiana mafy ny haintany eto amintsika afaka roa na telo taona eo ho eo. Ankoatra ny any amin’ny faritra Atsimon’ny

05-janv-2023

Nosy dia mety hiaina izany ihany koa isika eto an-drenivohitra antony manosika ireo manam-pahaizana maro samihafa hampianatra ny isam-baravarana mba hahay hitahiry ranon’orana. Raha hatontaly tokoa mantsy dia maharitra 5 volana eo ho eo ny ranon’orana latsaka eto amintsika mandritra ny taona iray, na dia tsy mirotsaka isan’andro aza izany. Mety sy ampy tsara ho an’ny isan-tokantrano misy olona manodidina ny 8 mianaka eo ho eo mandritra ny taona iray anefa izany raha voatahiry tsara fa tsy verivery fotsiny. Tsotra ny fomba hatao raha araka ny fantatra. Mandavaka lalina be toy ireny hanamboatra vovon-drano ireny ihany saingy tsy maintsy hasiana fiarovana kosa any amin’ny farany ambany ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Na ny filaharana eny amin’ny paompin-dranon’ny JIRAMA miaraka amin’ny bidon miloko mavo aza hoy ireo manam-pahaizana mety ho foana raha mahavita sy mahavatra izany ny isam-baravarana. Sady mampihena ny famoaham-bola ao an-tokantrano amin’ny fividianana rano moa ity teknika ity izay marihina fa efa mahatratra 400 Ar amin’izao ny iray bidon miloko mavo vao tonga any amin’ny tokantrano iray, miankina amin’ilay toerana.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap