airtel

Actualités

23-oct-2024

RANON’ORANA VOALOHANY

Babena sahady ireo mpianatra sy olon-dehibe ao Andranomanalina

Sample post image

Vao tamin’ny Sabotsy 19 Oktobra lasa teo no nanomboka nirotsaka ny ranon’orana teto amintsika

23-oct-2024

dia faritra iva maro sahady no efa dibo-drano teto an-drenivohitra. Ankoatra an’i Besarety izay efa tsy mahagaga intsony dia efa babena sahady ihany koa ireo mpianatra handeha hianatra sy ireo olon-dehibe efa nahazo taona rehefa hivoaka ny trano ao Andranomanalina, Boriborintany voalohany. Tapitra miangona eny amboditrano sy elakelan-trano avokoa mantsy ireo ranon’orana nilatsaka rehetra vokatry ny fahantsentseman’ny lakan-drano. Ny tena loza hoy ny solontenan’ny mponina dia tsy vitsy ireo latsaka any anaty dalle. Efa tapitra niala ihany koa mantsy ny ankamaroan’ireo sarona dalle ao amin’ity tanana ity izay ahiana hamoana olona mihitsy mandritra ny fotoam-pahavaratra. Voatery nandray ny andraikiny ka nanao asa tana-maro izy ireo vokatr’izany nanomboka tamin’ny Alatsinainy. Olona manodidina ny 120 isa isan’andro no mirotsaka manadio tata-drano mirefy 300 metatra. Tanjon’izy ireo ny hiarovana ny mponina amin’ny loza mety hitranga ateraky ny rano miandrona etsy sy eroa indrindra fa ny firodanan’ny trano fonenana.
Pati
Legende : Tahaka izao sahady ny manjo ireo mponina ao Andranomanalina !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap