airtel

Actualités

17-févr-2025

Ranotrambo nampidi-doza

Mpivady nandeha moto niara-namoy ny ainy

Sample post image

Mpivady iray nitaingina moto no tratry ny ranotrambo teny afovoan’ny reniranon’ Andriantany, ny

17-févr-2025

Zoma 14 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Raha araka ny fantatra dia avy nivarotra tany Ambohitompoina toy ny isan-kerinandro izy roa ireo. Rehefa niampita ny rano teo andrefan'i Velomanga Fokontanin’Ambatolampikely, Kaominina ambanivohitr’Ambatomiady Distrikan’Antanifotsy anefa izy ireo dia tonga tampoka ny ranotrambo ka lasany izy mivady. Afak’omaly Sabotsy 15 Febroary tamin'ny 09 ora maraina vao hita ny nofo mangatsiakan'izy roa ary hita ihany koa ny moto nentin'izy ireo. Namela kamboty misa 2 izy ireo hoy ny vaovao. Miara-alevina anio Alatsinainy ny razana hoy hatrany ny vaovao azo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.
Pati Legende : Ny vatana mangatsiakan’izy mivady !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap