airtel

Actualités

13-mai-2026

Ravelonanosy Solomon Clovis

«Zava-dehibe ny

Sample post image

fampiasàna ny fananan’ny firenena»

13-mai-2026

Zava-dehibe ny fampiasàna ny fananan’ny firenena iray ho fampandrosoany ny toekareny, hoy ny mpahaitoekarena sady filohan’ny antoko politika Fanare, Ravelonanosy Solomon Clovis. Tany manankarena isika, hoy izy, fa maninona no mahantra? Raha ny lafiny solika ve izany no jerena dia tsy manana isika fa manafatra? Arakaraky ny fiakaran’io izany no maha voadona mafy antsika. An-taonany maro teto no niandry ho hisy orinasa mpitrandraka solika hitrandraka saingy mbola tsy hita hatramin’izao hoe nanao ahoana? Maninona no tsy notrandrahana hatramin’izay ny fananantsika? Indrindra manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika no tsy nitrandraka ny antsika isika? Politika io! Ao ny andraikitry ny mpanafatra. Isan’ny mifehy ny solika eto ny karàna ary natao ho fantatry ny rehetra fa nisambom-bola tany ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina, nanonganany ny filoha Marc Ravalomanana. Na tsy nitrandraka ny solikantsika koa aza isika dia manana harena hafa tokony trandrahana. Tokony hiezaka hitady vahaolana fanampiny na «Plan B» isika! «Solution de rechange» koa filaza azy. Manana angovo azo avaozina isika. Eo ny rano sy ny masoandro saingy ny mpitondra mihitsy no tsy niezaka nitrandraka. Variana maka 10% amin’ireo mpanafatra fotsiny fa tsy misy fijerena ny vahoaka malagasy hatramin’izay. Efa nambarako fa misy havantsika indonezianina izao manana ny orinasa Petromine ahafahana hiara-hiasa amin’io resaka solika io. Raha ny «Sommet Afrique – France» na ny fihaonana an-tampony eo amin’i Afrika sy Frantsa no antenaina dia tsy misy satria Frantsa tsy manana solika. Indonezia manana solika. Aty an-kafa i Frantsa no mitrandraka solika fa tsy manana. Be mpanolontsaina be ao ny filohan’ny fanavaozana fa tsy anjaranay ny manolontsaina azy. Na izany voalaza izany aza efa tokony ho raisiny tolo-tsaina, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-mai-2026

ny gejan'ireo vahiny indrindra ny Karana"

Card image cap
13-mai-2026

ambony ao amin’ny OIF

Card image cap
13-mai-2026

34 miliara Ariary hanavaozana lisi-pifidianana

Card image cap
13-mai-2026

elanelana amin'ny Filohan'ny fanavaozana

Card image cap
13-mai-2026

rehetra nataony ilay «agent de reprographie»»

Card image cap
13-mai-2026

fandraofana tanin'olona ny asa soa nataony

Card image cap