airtel

Actualités

10-janv-2025

Rendrarendra fanesoana vahoaka

Eny amin’ny Lac Iarivo indray no hankalaza ny 26 jona

Sample post image

Raikitra indray ny hevitra manidintsidin’ny mpitondra mikasika ny fahafinaretan’ny maso,

10-janv-2025

fa tsy ny tena mahasoa ny vahoaka. Fanamby vaovao nolazaina nandritra ilay Filankevitry ny Minisitra ny 08 janoary teo indray ny hoe : eny amin'ny Lac Iarivo no hanatanterahana ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena. Nolazaina fa misy ny tetikasa fananganana fotodrafitrasa maoderina hanasongadinana ny hakanton'ny renivohitr'i Madagasikara eo amin'ity toerana ity, ka velarantany 320ha no hajariana amin'izany. Jet d'eau, jardin botanique, jiro maroloko, toerana fialam-boly, fanaovana fanatanjahantena, toeram-pisakafonana, izay hampiavaka an'Antananarivo ho lehibe lavitra noho ny hita ao Miami Toamasina no hatao, hoy i Andry Rajoelina. Nolazaina fa tafiditra ao anatin'ny fandraisana ny fihaonana antampo'nny SADC eto Antananarivo amin'ny volana aogositra 2025 ihany koa ity tetikasa ity Lac Iarivo ity, izay hatomboka eny amin'ny Parc Tsarasaotra hatreny amin'ny seranampiaramanidina Ivato. Eo ihany koa ilay resaka fanavaozana ny fifamoivoizana amin'ny alalan'ny fametrahana "bus électrique". Tsy vao izao no nilazana zavatra tahaka ity, fa efa noresahana teto 5 taona lasa izay fa eny amin’ny Tanamasoandro Ambohitrimanjaka no hanaovana ny matso 26 jona fa mandrak’ity ny androany tsy nisy. Ny lalaon’ny Nosy natao teto ny aogositra 2023 nolazaina hatao teny amin’ny Tanamasoandro Imeritsiatosika efa namoahana makety maro, ary nolazaina fa handeha tamin’io ny teleferika, fa inona no teo ? Tao anatin’ny krizy noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika nanomboka ny jolay 2022 no nilazana fa hanafatra bus maoderina mialohan’ny faran’ny taona fa mby aiza ? Ampahany ireny, izay hahafahana milaza fa manidintsidina sy matotra ny mpitondra. Mbola adihevitra hafa ny hoe : tena laharam-pahamehana ve ireo zavatra mamirapiratra tanisain’ny fitondrana kanefa ny fahatram-bahoaka mihalalina hatrany ? Sady misavoamboana fomba fiasa no tsy matotra sy tsy mahalala ny tena laharam-pahamehana fa dia ny hiezaka hanakona ny fahantrana sy fahorian’ny Malagasy hatrany eo anatrehan’ny vahiny no hihazakazahana. Ny delestazy tsy voavaha ka omaly izao nihetsika indray ny vahoakan’Itaosy, ny vidim-piainana midangana, ny olona tsy an’asa,… Moa tsy fanesoana vahoaka hatrany no betsaka ?
Toky R
Légende : Samy manana ny manahirana azy ny entina sy ny mpitondra !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap