airtel

Actualités

29-janv-2024

Renim-pianakaviana nanary zanaka

Mody nitangorona niaraka tamin’ny olona

Sample post image

Renim-pianakaviana iray no nanary ny zanany lahy kely tamina toerana fanariana

29-janv-2024

fako tany Amboniavaratra Soanindrariny ny alakamisy lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Mody niatrika ny hatairana sy nitangorona niaraka tamin'ny fokonolona teo ny renin'ilay zaza saingy nandositra haingana izy, raha ny fanazavana. Natao ny fikarohana ka fantatra ny vehivavy niteraka vao haingana teo amin'ny manodidina. Nitolo-batana izy nony tonga ny tamin'ny 6 ora hariva. Noho ny tenin'ny vadiny, hoy izy, no antony nanariany ity zanany faha 6 ity. Ario rehefa tsy velonao io zaza io rehefa teraka, hoy, hoy izy, ilay rain’ny zaza. Samy notazomina atao fanadihadiana izy mivady ary ho atolotra ny fitsaràna. Ilay zaza kosa noraisin-dry Masera any Soanindrariny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap