airtel

Actualités

18-avril-2024

Resaka «211 bis»

«Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ary maro»

Sample post image

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

18-avril-2024

hoy ny Fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI, omaly. Miankina amin’ny fanambarana ara-ketra ataonao no hanomezana an’io, hoy ny tale jeneralin’ny DGI, Germain. Manana andraikitra goavana izahay, hoy izy, amin’ny fanomezana izany. Ny dikan’ny «régularité fiscal» na fahatomombanana ara-ketra dia ianao nahavita nandoa ny hetranao nandritry ny 3 taona. Izay no voalazan’ny lalàna hoe 3 taona ianao no manao filazana ara-ketra. Misy antony manokana matoa tsy mahazo. Tonga ny fifidianana vao mirodorodo handoa hetra. Izahay nefa mijery hoe nahavita izany ve ilay olona? Mafy ho anay ny manao ireny asa ireny. Na andro tsy fiasana aza izahay miasa hahafahana manome fahafaham-po an’ireo kandida rehetra ireo. Be dia be ny kandida miaraka amin’ny fitondrana tsy nahazo fa tsy nila niantso haino aman-jery satria fantany tsara fa ny fanomezana an’io dia miankina amin’ny famitana adidy ara-ketra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavan’ny DGI.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap