airtel

Actualités

02-févr-2024

Resaka boaderozy

Namaly an’i Faniry Ernaivo i Mamy Ravatomanga

Sample post image

Afaka milaza ve Ravatomanga fa tsy tany Tanzanie ny 27-29 janoary?

02-févr-2024

Nanao inona tany fa misy boaderozy tratra nahondrana mantsy tany ary tsy misy tsy mahalala fa ianao no « patron »-n’ny fanondranana boaderozy ao Madagasikara ! », hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo tao anatin’ny tambajotran-tserasera omaly, ary namoaka sary maneho ny voalaza fa fisiana sidin’ny fiaramanidina laharana 5R-HMR nilazany fa nisidina tany Tanzanie tamin’ireo fotoana nambarany ireo. Tsy niandry ela kosa fa namaly io mpandraharaha malaza akaiky ny fitondrana io hoe : « « Ny lainga toy ny salaka ka ny tenany ihany no afatony.» Samia mailo isika amin’ny vaovao diso izay miely ety amin’ny tambajotra. Orinasa mampanofa fiaramanidina ny Toa-Trans Ocean Airways, ary manaja tanteraka ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fitaterana an’habakabaka. Azo atao ny mijery ny mombamomba ny dian’ny fiaramanidina rehetra sy ireo olona tao anatiny, eny anivon’ny manam-pahefàna any amin’ny firenena rehetra andalovany. Aoka tsy handainga ». Ny andaniny izany niampanga, ny ankilany nitondra fandisoana fa lainga sy fanosoram-potaka. Tsy vao sambany i Faniry Soa Ernaivo no nanenjika mafy ity mpandraharaha matanjaka ity amin’ny resaka mitovitovy amin’izao. Efa maro ihany koa anefa ireo karazana fanenjehana ataon’ny mpitondra mba hisamborana ity mpanao politika mialokaloka any Frantsa ity, saingy tsy tafavoaka hatreto. Vao tsy ela no nilaza i Fanirisoa Ernaivo fa tsy nahomby ny saika hanakalozana gadra ka hatolotra ny Fitondrana Malagasy izy. Mifanao fangala-piery eo izany !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap