Fandikan-dalàna ny fanaovana fanamiana miaramila tsy ary tsy manana zo hitafy izany ny sivily, araka ny voalazan'ny Andininy faha-259 ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Malagasy. Nasaina nandalo tany amin’ny paositry ny zandary, ka ny takarivan’ny talata dia efa nandeha teny amin’ny Borigadin’ny zandary teny Itaosy niaraka tamin’ilay fanamiana. Tonga dia notanana tao avy hatrany. Naharitra 22 ora no tao, ary omaly maraina no natao fanadihadiana, avy eo navotsotra. Nilaza ny mpanakanto Tence Mena izay sakaizany fa fanomezana avy amin’ny fianankavian’ilay tovolahy monina any France io, akanjona “légionnaire” Frantsay ka tsy noheverina fa tsy azo anaovana. Naneho fialan-tsiny ampahibemaso moa I Ayo Naej. “"Artista aho fa tsy zandary na miaramila, miala tsiny amin'ny fanjakana, ny mpijery facebook sy ny namana sy ny fianakaviana rehetra tamin'ny fihetsiko sy ny nataoko.", hoy izy. Nanamafy kosa ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny Lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimaria eto Analamanga fa, tsy azo atao ny manao fanamiana mpitandro filaminana sy ny fivarotana azy ireny noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana satria misy jiolahy mampiasa azy ireny. Marihina fa tsy vao androany na omaly io andininy ao anaty fehezan-dalàna famaizana io fa ny olana eto amintsika dia ny goragora amin’ny fampiharan-dalàna. Mafana am-boalohany ny fanenjehana dia mangina avy eo, ary betsaka ireo olona tokony ho fitaratra no minia mandika izany ka gaga ny rehetra hoe: efa tsy mihatra intsony angaha ilay lalàna? Nisy fandraisan’andraikitra sy fampahatsiahivana lalàna ve raha tsy efa notsikerain’ny olona tany anaty tambajotran-tserasera? Ny tena zava-doza, olona mpanao lalàna izao no isan’ny manao an’ireny fanamiana ireny, depiote tsy latsaky ny telo no misy mamoaka sy mampahatsiahy ny sariny, artista malaza,… Ny goragora efa manimba, miampy fanomezana ohatra ratsy avy amin’ireo tokony ho fitaratra, hany ka toa lasa samy mmanao izay saim-patany.
Toky R
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira