airtel

Actualités

13-déc-2022

Actualités

Resaka malety teny Tsimbazaza Miantso ny Bianco sy PAC ny Otrikafo

Sample post image

Nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny antenimieram-pirenena farany teo, hoy ny antoko politika Otrikafo, tetsy amin’ny biraony etsy Andravoahangy omaly.

13-déc-2022

Nisy antony maro tsy naha tanteraka azy iny, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, fa ny hita mivaingana aloha dia ny fanerena mivantana nataon’ny filoham-pirenena. Tsy maintsy nisy anefa ny toromarika avy any amin’ny filohan’ny repoblika matoa noraisina ireny fanapahan-kevitra ireny. Nandeha be ny resaka fa nisy malety na vola nozaraina. Azo antoka fa tsy ho avy any am-paosin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena izany. Tsy ho avy amin’ny kitapom-bolan’ny antenimieram-pirenena koa ireny fa tsy maintsy nisy nihaviany. Matoa ny IRD no tena navitrika tao anatin’ilay izy dia satria baiko avy amin’ny filohan’ny repoblika izany. Tsy tanteraka ilay izy satria na ho an’ny fahefana mpanao lalana na fahefana mpanatanteraka dia vola no manosika ny fandraisana fanapahan-kevitra. Nisy mpikamban’ny antenimiera maromaro nilaza fa nisy tombontsoa tokony nisitrahan-drizareo nefa tsy azo. Ho an’ny fahefana mpanatanteraka koa manao izay ho afany izy hiarovana ny sezany ka noho izany misy vola miasa izany. Sarotra ny hiheverana fampandrosoana sy fiantraikan’izany fandrosoana izany any amin’ny vahoaka malagasy raha mbola izay no mibaiko ny mpitondra, fahefana mpanao lalana, fahefana mpanatanteraka. Tokony hiainga amin’ny hetahetam-bahoaka sy ny filany ny fanapahan-kevitra rehetra raisina tsinona. Na ho tonga any amin’ny fitsipaham-pitokisana ny filohan’ny repoblika aza, noho izany, io fitsipaham-pitokisana ny governemanta io dia tsy manantena na inona na inona amin’io ny Otrikafo. Miantso ny Bianco sy ny PAC noho izany hanokatra fanadihadiana raha tena tany tan-dalana sy miady amin’ny kolikoly marina isika satria na inona lazaina, raha nisy tokoa izany malety izany, dia tsy maintsy volam-bahoaka ariariam-potsiny ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy indray nefa ny fahoriam-bahoaka efa jereo ity izy, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap