airtel

Actualités

31-janv-2024

Resaka trafikana boaderozy 22 kaontenera

Mangina ny mpitondra, mailo ny firaisamonim-pirenena

Sample post image

hoy ireo mpanara-baovao, kanefa rehefa nandeha teny ny fotoana dia voamarina fa

31-janv-2024

Tao anatin’ny herinandro teo ho eo izay no nisy resaka niely milaza ny fisiana fahatrarana boaderozy 22 kaontenera tratra any Tanzanie, izay voalaza fa niala avy teto Madagasikara ny 23 desambra 2023 lasa teo. Tsy nisy hatramin’izao ny fandisoana ofisialy na fanamarinana avy amin’ny Fitondram-panjakana. « Mbola mitohy hatrany ny fanondranana sy fangalarana harem-pirenena. Tratrako ianareo mianakavy ! Nalefa nanao inona tany Dar Es Salam Tanzanie iny Jety Privé tsy hay hafenina iny. Boaderozy 22 kaontenera no resaka eto ! Nairobi aloha no diany niala teto Madagasikara avy eo nandeha Dar Es Salam, dia mody Tana. Misy olona ambony mila arovana ao ambadika, iza loatra angaha ? Ny fantatra dia misy manamboninahitra ambony ao ambadik’ity boaderozy izy », hoy i Fleury Rakotomalala, mpamakafaka ara-politika mipetraka any Frantsa. Tsikaritra ho somary mitandrina kosa ny Firaisamonim-pirenena eo amin’ny sehatry ny fiarovana tontolo iainana noho ny mbola tsy fananan’izy ireo vaovao sy antontan-kevitra feno. Naneho ny fisiana fahasarotana samihafa sy ny fisiana mpanao politika matetika ao an-damosin’ny trafika samihafa ihany koa. « Hatreto aloha dia miandry ny vaovao mety hoentin’ny avy amin’ny fitondram-panjakana izahay eto amin’ny fiarahamonim-pirenena, ankoatra ny fanadihadiana izay efa ataonay amin’ireo namanay any Tanzanie », hoy ny Alliance Voahary Gasy tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Ndranto Razakamanarina. Tsy afaka ny hiteniteny foana aloha raha tsy misy tahirin-kevitra mitombona, ka raha ny hoe 22 kaontenera dia niainga avy tany amin’ny seranantsambo, ka tena kolikoly be raha nisy ilay zavatra. Mbola tsy manana fanamarinana aloha izy ireo hatreto. Mikasika ny fanamarinana avy amin’ny CITES, kosa dia ny fahafahana mivarotra ireo boaderozy nogiazana ato anatiny no nahazoana fahazoana alalana herintaona na roa taona no nisiana fanisana kanefa tsy heno intsony fizotran’izay, raha ny fanamarihan’ny AVG, ka tokony hametrahana fanontaniana hatrany amin’ny fitondram-panjakana. « Ny henonay tamin’ny herintaona fiandohan’ny taona dia nisy sambo tratra tany amin’iny faritra SAVA iny fa ny hoe : fanondranana goavana mbola tsy nisy aloha hatreto », hoy ny AVG.
MATETIKA MISY MPANAO POLITIKA AO AMBADIKA
Manoloana ny fihetsiky ny fitondrana izay tsy mandiso na manamarina ity tranga ity dia milaza ny Firaisamonim-pirenena, fa zary lasa fomba fiaina ho azy ireo ilay izy ka lasa izy ireo no tsy maintsy manamarina. « Mbola mafy be ilay tsy fahaiza-mihaino eto amintsika,… Manahirana ilay izy satria eto Madagasikara matoa misy fanondranana tsy ara-dalàna harena voajanahary eto amintsika, dia matetika misy mpanao politika foana ao ambadika ao, ka izay no manahirana indraindray satria ilay apombo kely àry foana no voasambotra. Ilana fiaraha-miasa amin’ny fitsarana satria rehefa ratsy dia ratsy fa tsy tokony hafenina », hoy hatrany ny AVG. Tsy miteny ny fitondrana ankehitriny na ny teo aloha, fa matetika misy mpanao politika, hoy hoy ny fanamarihana.
Toky R

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap