ESPA na ireo mpianatra fahiny teo anivon’ny sekoly ambony momba ny politekinika eto Antananarivo fa miombona alahelo amin’ireo izay namoy ny ainy sy naratra rehetra tsy an-kanavaka ary ireo traboina sy very fananana nandritry ny tolom-bahoaka izy ireo. Miombona sy manohana tanteraka ny tolona ataon’ireo zandry, mpianatra eo anivon’ny sekoly ambony politekinika eto Antananarivo, amin’ny fanehoan-kevitra sy hetsika milamina entiny mampita ny fijaliana sy ny fahasahiranana iainan’izy ireo, izay manakana azy tsy hamita ny fiainarany an-tsakany sy an-davany. Manohitra sy manameloka tanteraka ireo karazana herisetra atao amin’ireo mpianatra. Miantso ireo tomponandraikitra rehetra hijery akaiky ny lafiny fampianarana mba hitsinjovana ireo mpianatra amin’ny ambatonga rehetra manerana an’i Madagasikara. Takiana ihany koa ny hamitàna haingana ireo sosialin’ny mpianatra toy ny jiro sy ny rano, fotodrafitrasa rehetra, ny fandoavana ara-dalàna ny vatsim-pianarana na «bourse» sy ny fampitaovana na «équipement» an’ny mpianatra, hoy hatrany ity fanambaràna ity.
J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»