airtel

Actualités

03-juil-2026

Rivellino Ravelomahazo

«Hideràna izao fitondràna izao

Sample post image

ny fahasahiana nanao kara-panondro biometrika»

03-juil-2026

Ho an’ny JPRM na «Jeune patriote républicain malagasy», izay adika amin’ny teny malagasy hoe Tanora tia tanindrazana repoblikanina malagasy, dia raha haka lesona ny tamin’ny taona 1991 isika, hoy ny mpitarika azy ireo, Rivellino Ravelomahazo, dia ny fifanarahan’ny Panorama ny 31 oktobra izany, dia tsy nisy tanteraka avokoa ny zavatra nifanarahana tao. Ny antony, hoy izy, dia satria na ny mpizaika aza samy nanontany tena hoe ho tanterantsika ve izao? Tsy fikaonandoha izao no ilain’ny vahoaka satria filoha voafidy ara-dalàna no tokony hametraka an’izany sy ny fampihavanana mba hahafahany manana fahamarinan-toerana eo amin’ny fitondràna avy eo. Izay koa no hahafahany mandritra ny praograma nifidianan’ny vahoaka azy. Firosoana amin’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara, mametraka ny tena demokrasia fa tsy akandasitra ka hoe tsy hanao Rabe na tsy hanao Rakoto no atao. Raha vao akandasitra io dia miverimberina ny krizy ary hiha fohy hatrany tsy ho 7 taona intsony fa 5 na 2 taona mihitsy. Ny andininy faha 4, 5, 6 ao amin’ny lalàmpanorenana, izay mbola ijoroan’izao fitondràna izao, no milaza fa ny vahoaka no masi-mandidy sy tompon-tsafidy. Antso avo no atao amin’ny fitondràna ankehitriny, noho izany, ny amin’ny mba hirosoany haingana kokoa any amin’ny fifidianana. Efa misy rafi-pifidianana eto Madagasikara. Mbola tsy namaha olana teto amin’ny firenena ny fikaonandoham-pirenena raha miverina mijery ny tantara hatramin’ny taona 1972 isika. Fizaràna seza no hita tanatin’izany. Hideràna izao fitondràna izao ny fahasahiana nanao kara-panondro biometrika. Anatin’izao firoboroboan’ny tekinolojian-tserasera sy fifandraisana ara-kajy mirindra izao koa no maha sarotra izany manao hoso-pifidianana izany satria afaka mahazo vaovao ara-potoana daholo ny rehetra. Ho an’ny mpanao politika izany dia ny fifidianana no sedra ahafahana mahazo fahefàna. Angatahana, noho izany, ny fahafaha-manomana ny antokony avy an-kalalahana fa tsy misy teritery. Efa CENI ahitàna ny solontena avy amin’ny ankolafin-kery rehetra izao no mijoro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap