tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Actualités

Rivellino Ravelomahazo “Mila mamokatra ny harenantsika isika”

Tsy tokony atao ny mampifangaro resaka mahakasika ireo parlemantera, hoy ny mpikamban’ny vovonan’ny tanora tia tanindrazana mitady fanovana eto Madagasikara na JPRM, Rivellino Ravelomahazo.

25-oct-2022

Sample post image

Misy sata manokana mifehy azy ireo, hoy izy, na ilay antsoina hoe “immunité parlementaire”. Misy koa eo ny fitsarana avo natao hitsara ireo ady heloka mahakasika olona ambony sy mpanao politika ambony dia ny HCJ izany. Misy fitsipika anatiny mifehy koa ny antenimierampirenena sy antenimierandoholona mamaritra ny fomba hahafahana manenjika ireo parlemantera mety mihoa-pefy na tsy manara-dalàna dia ny fanesorana izany “immunité parlementaire” izay atao anaty kaomisionina sy fidiana am-pahibemaso avy eo. Tsy voatery ny fahatongavan’ny parlemantera anaty fivoriana no manambara ny fisiany. Mbola mety misy asa mahatana azy. Misy parlemantera sasany izao lasa any an-dafy. Misy mamita iraka miaraka amin’ny filoham-pirenena sy ny maro samihafa. Tany tan-dalàna I Madagasikara ka manaraka ny rafitry ny lalana, noho izany, ny zava-drehetra. Mikasika ny fahitana ny fandraisantsika anjara amin’ny dinika tany Maraoka dia hita fa manana fahavononana hiatrika ny krizy ekonomika manerantany sy fampandrosoana anatiny imasoana ato I Madagasikara satria namoaka ilay drafitra fanandratana an’I Madagasikara na PEM tany ny filoham-pirenena. Fotokevitra miisa 2 lehibe no navoakany tao dia ny hoe atomboka ny fitrandrahana sy ny paika entina miasa amin’ireo harena voajanahary eto Madagasikara, izay tena maro an’isa. Firenena mahantra nefa manana harena isika nandritr’izay fotoana maharitra izay. Hanomboka hitodika amin’ny famokarana ireo mba hiteraka harena ho an’ny vahoaka sy ny firenena izany isika. Ny faharoa dia ny fitodihana amin’ny fambolena na revolisionina maitso izay tena zava-dehibe satria tany amin’ny filoha Tsiranana tany amin’ny 60 taona lasa isika no nanao izany farany. Enga anie mba hitohy izany satria tsy ilay mijanona ao an-tokantrano fotsiny fa ilay fambolena indostrialy tena ho loharanon-karena maharitra ho an’ny tantsaha maro an’isa. Mila mamokatra ny harenantsika isika nefa sakana hatramin’izao ny tsy fananana herijika nenti-niatrika nefa nanana tahiry ara-boajanahary. Izay no antony hisintonana ireo mpandraharaha avy any ivelany hampiasa ny volany eto sy hifanakalo amin’ireo ato anatiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
JIRAMA - Tambajotran’ny herinaratra RIA
06-juin-2023

Hiverina amin’ny laoniny amin’ny zoma hono !

Card image cap
Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna Manamafy ny fanohanany ny Amerikanina
06-juin-2023

Tanterahina eto Antananarivo mandritra telo andron’ny 5-7 jona 2023 ny fivoriambe iraisam-paritra tarihan’ny Blue Ventures entina hamolavolana paikady iombonana hiatrehana ny jono tsy ara-dalàna,

Card image cap
Miha mafy ny fahatapahan’ny herinaratra
06-juin-2023

Ahodinkodina ny serasera, ny tena vahaolana tsy nojerena

Card image cap
Miha mafy ny fahatapahan’ny herinaratra
05-juin-2023

Ahodinkodina ny serasera, ny tena vahaolana tsy nojerena

Card image cap
Antananarivo Atsimondrano Misy faritra 2 andro tsy nisy jiro
05-juin-2023

Tena mampijaly fatratra ny mpanjifa ny fahatapahan-jiro lava iainana miaraka amin’ny orinasa JIRAMA. Ho an’ny teny amin’ny kaominina Fenoarivo,

Card image cap
Karazan-javamaniry « pachypodium » Misy mitady hanao trafika sy hanondrana ihany koa
05-juin-2023

Fototra pachypodium miisa 400 eo ho eo, izay mitovitovy endrika amin’ireny zanaka baobab ireny izay tena arovana

Voir plus