airtel

Actualités

17-janv-2025

RIVO-DOZA DIKELEDI

Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara

Sample post image

Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana

17-janv-2025

nanoratanay ilay rivo-doza Dikeledi. Tany amin’ny 381 Km atsimo somary atsimo andrefan’i Faux Cap no nisy ny foibeny omaly folakandro. 170 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 240 Km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka haingana nianatsimo atsinanana izy ka nahafaka 31 Km isan’ora ora. Foana avokoa noho izany ny filazana loza mikasika ity rivo-doza ity, raha ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Na izany aza dia fantatra fa mbola vokatry ny fandalovan’ity rivo-doza ity ihany no miteraka rotsak’orana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izay mety haharitra hatramin’ny 2 andro. Mikasika ny maripana eto an-drenivohitra kosa dia hanodidina ny 20 ka hatramin’ny 32 degre izany ka tokony samy hiomana amin’ny fitafiana hanaovany ny tsirairay.
Pati
Legende : Mihamanalavitra an’i Madagasikara ilay rivo-doza Dikeledi !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap