nivadika ary mitondra rotsak’orana betsaka any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Tany amin’ny 142 Km andrefana somary atsimo andrefan’Itampolo, distrikan’Ampanihy no nisy ny foibeny omaly folakandro izay tsy dia nihetsika firy tao anatin’ny 6 ora teo ho eo. 65 km isan’ora ny rivotra entiny miaraka amin’ny tafiotra 90 km. Na izany aza tsy mbola nisy ny filazana loza mahakasika ity rivo-doza ity. Tombanana mbola hitoetra kosa ny alondrano any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy ary ho mafy ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana.Mila mitandrina kosa anefa ireo mpiandriaka any amin’ny distrikan’i Morombe sy Tolagnaro manoloana ny fiakaran’ny rano.
Pati
Legende : Any an-dranomasina no tena manao ny hataony ny rivotra entin’i Elvis !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»