airtel

Actualités

14-mars-2025

RIVO-DOZA JUDE

Hiditra an-tanety anio alina any Toliara

Sample post image

Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa

14-mars-2025

vao maraimbe any amin’ny distrikan’i Toliara I sy II ilay rivo-doza Jude raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Efa tafaverina ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika omaly maraina indray mantsy ity rivo-doza ity. Tany amin’ny 660 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny omaly. 75 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 Km isan’ora izay manakaiky ny foibeny. Mikisaka nianatsimo atsinanana izy ary nahafaka 22 Km isan’ora. Atahorana mafy araka izany ny amin’ny faritra Androy, Morondava ary Manja. Toraka izany koa ny Faritr'Anosy, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo ary Vangaindrano. Tsy tokony hiandriaka intsony noho izany ireo mpampiasa ranomasina ao Belasampy ka hatrany Taolagnaro. Toraka izany koa ny avy Taolagnaro ka hatrany Mahanoro hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati

 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap