Tany ho any amin’ny 5 novambra no tazana farany. Niparitaka avy eo ny taratasy mitondra ny datin’ny 8 novambra nilaza fa voan’ny coronavirus. Nandeha indray ny resaka avy eo, fa nisy nahita tany Taolagnaro, ary tao anatin’ny lisitry ny mpandeha an’ny zotram-piaramanidin’ny Air Austral ny 14 novambra 2022, saingy tsy tonga teny amin’ny serananana tamin’ny ora farany. Marihina far aha saika hivoaka tany ivelany ity Tale jeneraly ity ny 01 jolay 2022 dia voalaza fa voasakana satria namoahana IST (Interdiction de Sortie de Territoire). Ny 24 novambra indray, nilaza ny Minisitra Andry Ramaroson, fa eto Antananarivo ny Tale Jeneraly, ary telo na efa andro lasa dia niresaka sy namaly “sms”, ary nolazaina fa raisin’ny CA (Filankevi-pitantanana) ny fitantanana ny Jirama satria ny 9 desambra vao hiverina hiasa ny Tale Jeneraly. Mbola tena eto an-toerana ve anefa ny Tale Jeneraly sy ny Tale Jeneraly teo aloha? Misy ny loharanom-baovao azo omaly milaza fa niondrana nakany Mayotte tamin’ny zoma 18 novambra tokony ho tamin’ny 7ora30 ilay DGA Jirama, ary nitondra sakaosy ahiana ho volabe na “devises” no tao anatiny. Tao Nosy Faly (Ambanja) toerana fiondranan'ny ireo mpiondrana antsokosoko no voalaza fa nandehanany, nandray sambo kely izy irery rehefa nampidinina avokoa ireo efa tokony handeha. Ny manam-pahefana moa no andrasana handiso na hanamarina izany na koa hanokatra fanadihadiana mikasika io toe-javatra. Ny ahafahana mandiso izany avy hatrany dia ny hoe: iny fa nosamborina ilay Tale Jeneraly mpisolo toerana ary nidoboka am-ponja vonjimaika ohatra. Efa fandre matetika rahateo ny hoe: na misy aza ny olona amoahana IST eto amintsika, toa tafaporitsaka lasa any an-dafy ihany, raha tsy hilaza afatsy ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha izay nenjehin’ny Fanjakana mafy, ny Praiminisitra iray teo aloha, ary ahiana ho efa tahaka izany ihany koa ny Tale Jeneraly mpisolo toerana teo anivon’ny Jirama.
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny