airtel

Actualités

07-juin-2022

Actualités

Roa taona aty aoriana Misy fahasimbana sahady ireo fiaran’ny Covid 19

Sample post image

2 taona lasa mahery kely izay no niteraka resabe ny fisian’ny soratra manao “Don Andry Rajoelina” tamin’ireo fiara natolotra hanampiana amin’ny ady atao amin’ny aretina Covid 19 teto Madagasikara.

07-juin-2022

Nisy moa tamin’izany fotoana izany ny fanazavana efa hatry ny ela ireny fiara ireny no fananan’ny filoham-pirenena manokana ary noho ny fahasahiranam-bahoaka manoloana ny valanaretina Coronavirus dia natolotry ny filoham-pirenena maimaim-poana tamin’ny fo madio ilay izy. Tsy ampy nividianana fiara fanampiny hanaovana vonjy taitra ve izany ny volabe efa nananika ny an-jatony tapitrisa Euro maro tamin’ireny fotoana ireny no dia ny fiara fananan’ny filoham-pirenena manokana no voatery natao sorona hoe hanavotana ny aim-bahoaka ? Mbola fanontaniana tsy mety voavaly mipetraka miaraka amin’izay koa ankehitriny ny hoe aiza marina ny mangaraharaha mikasika ny nampiasana ireny vola rehetra ireny? Miandry hatrany ny valin’izany rehetra izany ny mpanara-baovao hatramin’izao saingy etsy ankilan’izay anefa dia tsikaritra ho efa misy fahasimbana sahady ny sasany amin’ireto fiara fanomezana tamin’ny ady amin’ny Covid 19 ireto. Efa misy pempo ny varavarana ary misy kiaka ihany koa tao anatin’izay 2 taona mahery kely niasany izay. Misy ihany koa ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana ka tena voa mafy tokoa na ny vatan’ny fiara na ny motera.
J. Mirija
Legende: Ity iray ity izao miantsona eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap