airtel

Actualités

23-févr-2023

Actualités

Roland Ratsiraka “Midina an-dalambe ny olona raha miziriziry ny fitondrana”

Sample post image

Mbola zavatra hafa koa ny làlam-pifidianana, hoy ny depiote voafidy tao Toamasina I, Roland Ratsiraka, namory ireo depiote sasany namany sy mpanao politika maromaro tetsy amin’ny Radisson blu Ambodivona omaly.

23-févr-2023

Misy tenin-drizareo masoivoho sasany izao hoe tokony ferana ny vola ampiasaina, hoy izy. Ny làlam-pifidianana no mifehy an’izany. Azo atao izany fa mbola misy adihevitra. Mbola hoe mety sa tsy mety? Amin’ny fomba ahoana? Mety sarotra! Tsotra ny tolo-dalàna omenay. Andininy na “article” miisa 7 no tokony ovaina. Manana CENI mahaleotena isika, mahavita mikirakira fifidianana araka ny tokony ho izy, mpikamban’ny CENI koa amin’izay fotoana izay mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena, sendikan’ny mpitsara, sendikan’ny administratera sivily sy ny toy izany dia amin’izay tsy misy kianina intsony ilay izy. Tsy maintsy iadiana izay satria raha sanatria miziriziry ny fitondram-panjakana dia midina an-dalambe ny olona dia hiverina amin’ity foana isika. Aleo vahana dien’izao ny olana. Manantena izahay fa mba hanana fahendrena sy ho tonga saina ny fitondrana. Misy solombavambahoaka ireo. Solombavambahoakan’ny fitondrana izy androany fa mbola ho kandidan’ny fitondrana ve izy rahampitso? Mahaliana ilay solombavambahoaka anaty fitondrana koa, noho izany, ity zavatra ity satria izy mba te ho lany ary mety tsy ho kandidan’ny fitondrana intsony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap