airtel

Actualités

17-janv-2024

ROMODROMOTRA NY OLONA

Lehilahy iray voakapa tamin’ny baramina ny tongony

Sample post image

17-janv-2024

Efa somary manahirana be ihany ny fiainana eny anivon’ny fiaraha-monina eny amin’izao. Noho ny hamaroan’ireo manahirana sy ny hasarotan’ny fiainana dia betsaka amin’ny mpiara-belona no lasa romodromotra ka na ireo mpivady ao an-trano aza lasa mifandripaka. Mandehabe ihany koa ny resaka tondromolotra sy ny lonilony. Lehilahy iray manodidina ny 23 taona eo ho eo omaly Talata atoandro tao an-drenivohitr’i Toamasina no voakapa baramina tamin’ny ora tsy nampoizina ny tongony ka tapaka. Nilaza ilay lehilahy namely azy io fa olona nanendaka azy tamin’ny taona 2023 ilay lehilahy nanamparany ny hatezerany. Tsy nisy vavolombelona nanamarina izany anefa. Voatery niditra an-tsehatra moa ny polisy Polisy avy ao amin’ny Vigie -Ambolomadinika naka azy mirahalahy. Betsaka moa ireo nilaza fa mety ho “règlements de comptes” ity fikapana tongotr’olona manta tamin’ny baramina niseho tao Toamasina omaly ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap