airtel

Actualités

17-janv-2024

ROMODROMOTRA NY OLONA

Lehilahy iray voakapa tamin’ny baramina ny tongony

Sample post image

17-janv-2024

Efa somary manahirana be ihany ny fiainana eny anivon’ny fiaraha-monina eny amin’izao. Noho ny hamaroan’ireo manahirana sy ny hasarotan’ny fiainana dia betsaka amin’ny mpiara-belona no lasa romodromotra ka na ireo mpivady ao an-trano aza lasa mifandripaka. Mandehabe ihany koa ny resaka tondromolotra sy ny lonilony. Lehilahy iray manodidina ny 23 taona eo ho eo omaly Talata atoandro tao an-drenivohitr’i Toamasina no voakapa baramina tamin’ny ora tsy nampoizina ny tongony ka tapaka. Nilaza ilay lehilahy namely azy io fa olona nanendaka azy tamin’ny taona 2023 ilay lehilahy nanamparany ny hatezerany. Tsy nisy vavolombelona nanamarina izany anefa. Voatery niditra an-tsehatra moa ny polisy Polisy avy ao amin’ny Vigie -Ambolomadinika naka azy mirahalahy. Betsaka moa ireo nilaza fa mety ho “règlements de comptes” ity fikapana tongotr’olona manta tamin’ny baramina niseho tao Toamasina omaly ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap