airtel

Actualités

30-août-2023

Romy Andrianarisoa

Nisy iraka fifampiraharahana tamina Belza ihany koa?

Sample post image

Navoakan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence tao anatin’ny lahatsorany, fa nifanandrify tamin’ny andro

30-août-2023

nisamborana ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Rtoa Romy Andrianarisoa, fa nisy ny fifampiresahana taminy teo aminy sy ny mpandraharaha na “home d’affaires” teratany Belza tao Londres. Nosembanin’ny fisamborana azy noho ny ahiahina kolikoly goavana anefa io, ka antony mbola maha voatazona azy amin’izao miandry fitsarana. Voalaza fa iray amin’ireo mpandraharaha mirahalahy mitondra ny anarana Sutter, dia Peter de Sutter na Kristof de Sutter izy ireo, izay nakany Londres hitady fifampiraharahana amin’ny Mpitondra avy aty Antananarivo. Voalazan’io gazety io, fa misy ny fifanolanana eo amin’ny orinasan’ireto Belza ireto dia ny Polo Garments Majunga na PGM izay rantsan’ny vondron’orinasa Ansi, amin’ny Fanjakana Malagasy nanomboka 12 taona lasa eo ho eo. Izy ireo izay nampian’ny “tribunal arbitral” eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena na ny CIRDI (Centre International pour le Réglement des Différends Relatifs aux Inverstissements), izay nanameloka ny Fanjakana handoa onitra 6,9 tapitrisa euros ho fanonerana sy tombony na “dommages et interet” noho ny fampiasam-bola nataony. Voalaza fa tsy mbola voahefa mihitsy na maro aza ny fampahatsiahivana amin’ny tokony hampiharana izany. Nandritra ny fanolorana ny taratasy manendry azy tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 02 aogositra, nitondra fanamarihana ho ho an’ny Filoha ny Ambasadaoro Belza Peter Maddens, fa namparefo sy nanimba ny fiaraha-miasa ara-toekarena teo amin’ny firenena roa tonta io dosie io, hoy ny lahatsoratry ny Africa Intelligence. Nolazain’io fampahalalam-baovao vahiny io, fa nanome toromarika an-dRtoa Romy Andrianarisoa hifampiresaka amin-dry Sutter mirahalahy ny Filoham-pirenena mba ahitana vahaolana am-pirahalahiana. Hatramin’ny nahasamborana an’io Tale kabinetra teo aloha io, voalaza fa mangina tanteraka ity dosie ity, izay voalaza fa manosika ireo mpandraharaha Belza ireo hamoha indray ny dingana ara-pitsarana mba ahafahana mampihatra ilay didy navoakan’ny CIRDI izay nanapaka ny handdoavan’ny Fanjakana Malagasy 6,9 tapitrisa euros. Andrasana izay mety ho fanampim-panazavana na fandisoana ataon’ny Fanjakana eo anatrehan’io vaovao navoakan’ny vahiny io. Sady miandry ny fitsarana amin’ny 8 septambra isika no mametra-panontaniana hatrany hoe: tena tsy misy ifandraisan’ny Filoha sy ny fitondram-panjakana tokoa ve ilay dia tany Londres? Tena tao anatin’ny fialan-tsasatra sy nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana ve Rtoa Romy Andrianarisoa izay afaka nisolo tena an’I Madagasikara sy ny Fanjakana Malagasy hifanaraka amin’ny orinasa vahiny? Raha tanteraka teo ny fikasany dia fahefana avy aiza no ahafahany mamoaka fahazoan-dàlana hitrandraka harena an-kibon’ny tany raha tsy avy amin’ny Fanjakana Malagasy?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap