airtel

Actualités

26-janv-2024

Rotsak'orana sy fiakaran'ny rano

Tafakatra 4 ny maty, 3 tsy hita popoka, 7000 traboina

Sample post image

Mitombo ny voka-dratsin’ny ora-mikija sy ny fiakaran’ny rano.

26-janv-2024

Faritra 10 no voakasiky ny rano miakatra : Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Diana, Fitovavy, Melaky, Menabe, ary Sofia. Tafakatra 4 no maty, ka 1 tany Maevatanana tototry ny trano, 2 tany Toamasina II, ary 1 tany Port Berger izay samy nentin’ny rano. Miisa 3 kosa no mbola tsy hita popoka. 219 tokantrano na 1000 olona eo no napetraka any amin’ny toeram-pandraisana 8. Mahatratra 2023 ny trano dibodrano, ary manodidina ny 7000 ny traboina. Misy ihany koa ireo fotodrafitrasa toy ny sekoly simba, ny làlana betsaka ny potika ka anisan’ny tapaka ny RN6 eo Maromandia mialohan’ny hidirana an’Ambaja izay nihotsaka satria nisy nangalatra ihany koa ny bizo. Isan'ny tena lasibatra ny Faritra Sofia sy Diana, toy ny distrikan'Analalava izay toerana maro no traboina, ny tany Anjiajia dia nisy teny an-tafon-trano ny olona manodidina ny 300 no niandry famonjenaManodidina ny 2200 ny tanimbary dibo-drano. Na eo aza ny fikorontanan'ny toetr'andro sy ny fiforonanana andro ratsy any amin'ny fari-dranomasina Indianina, dia voalaza fa tsy mbola ahiana ny fisian'ny rivodoza handalo an'i Madagasikara ao anatin'ny roa herinandro. Tombanana hitohy hatrany kosa ny rotsak'orana betsaka (40 hatramin'ny 80mm ao anatin'ny 24 ora) any tapany avaratry ny Nosy hatramin'ny vokatry ny oram-baratra ateraky ny talio sy ny Zone de Convergence Inter-Tropicale (ZCIT), hoy ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Nahazo filazana fampitandremana miloko mavo ny faritra Diana sy Sofia, Sava, Betsiboka, Itasy, Bongolava ary ny distrikan'i Ankazobe, Mananara avaratra sy Matoantsetra. Filazana fampitandremana miloko maitso: distrikan'i Andilamena, Amparafaravola, Ambatondrazaka, Anjozorobe, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandrina, Antananarivo renivohitra, Antananarivo Atsimondrano ary Antananarivo Avaradrano.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap