airtel

Actualités

20-févr-2025

Rotsak’orana eto Antananarivo

Trano sy tamboho maro nirodana, 1 namoy ny ainy

Sample post image

Maro ireo trano sy tamboho nirodana teto Antananarivo, araka ny tatitra omaly alarobia 19 febroary 2025.

20-févr-2025

Tao amin’ny Boriborintany fahadimy, lehilahy iray no namoy ny ainy rehefa tototry ny tany ny trano fonenany teny Ambohimahitsy, trano rihana dimy iray no nirodana, naharatrana zaza roa izay voatery nalefa namonjy hopitaly, ary fiara roa no simba tanteraka. Teny Ambatobe, nisy fihotsahan’ny tany ka olona roa no naratra ary naterina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Etsy Alarobia Amboniloha kosa, rindrim-bato no nianjera, saingy tsy nisy aina nafoy na naratra. Omaly takariva ihany koa moa dia nisy trano goavana mbola teo an-dalam-pamitana nirodana teny amin’ny làlana Rocade d’Iarivo. Mandritra izany, mitombo isa hatrany ireo traboina sy ny toerana natokana handraisana azy ireo. Ao amin’ny Boriborintany Voalohany, dia ao amin’ny ANS (Académie Nationale des Sports) Ampefiloha no mandray traboina miisa 343 hatramin’ny mitataovovonan’ny alarobia 19 febroary. Ho an’ny Boriborintany Faharoa kosa, efa vonona ny toerana handraisana azy ireo, dia ao amin’ny CEG Ambohipo sy Volosarika. Na izany aza, maro amin’ireo traboina no mbola mijanona any an-tranony noho ny tahotra ho very fananana. Hatramin’izao, dimy ny trano nirodana ary misy trano hafa atahorana ho rava. Ny Boriborintany Fahefatra no tena misy niharam-boina betsaka, mahatratra 5 000 mahery izy ireo araka ny antontan'isa farany. Toerana efatra no mandray azy ireo: ny Tranompokonolona Andrefan’i Mananjara, ny toeram-pilalaovana basket ambadiky ny Gymnase Mahamasina, Ampefiloha Ambodirano, ary ny EPP Soanierana II. Ho an’ny Boriborintany Fahadimy, efa voaomana ny toerana iray eny Soavimasoandro, saingy hatreto dia nisafidy ny hipetraka any amin’ny fianakaviany ny traboina. Toy izany koa no zava-misy amin’ny Boriborintany Fahaenina sy Fahatelo, saingy efa manomana toerana handraisana traboina ny tompon’andraikitra, dia ny Gymnase Ankorondrano sy ny Gymnase Besarety. Mbola mitohy ny rotsak'orana eto Antananarivo, ka atahorana hitombo ny fihotsahan'ny tany sy ny faharavan’ny trano sy fotodrafitrasa, ary mety hiteraka tondra-drano ihany koa,...
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap