airtel

Actualités

28-janv-2026

Sabôtazy ekonomika sy politika

Nisy nanapaka ny andrin-jiro tao Anjoma Betoho Est

Sample post image

Nisy nanapaka notsofaina ankitsirano

28-janv-2026

ny andrin-jiron'ny JIRAMA any Anjoma Betoho Est, raha ny fampahafantarana nataon’ny Jirama omaly. Izay antony nahatapaka ny famatsiana herinaratry ny zotra Est, afak’omaly alina. « Efa nanao ny ezaka rehetra namerenana tsikelikely ny famatsiana herinaratra iny zotra iny ny teknisiana hatry ny alina saingy noho ity fahavoazana ity dia ireto toerana ireto no mbola tsy misitraka herinaratra amin'izao fotoana izao: Manakavaly - Anjoma Betoho - Anjepy - Ambohibary. », hoy ny serasera ofisialin’ny Jirama omaly. Nambara fa tsy maintsy hirosoana arak'izany ny fanoloana io andrin-jiro io ary atao ny ezaka rehetra hanafainganana ny asa faran'izay tratra mba hamerenana ny herinaratra amin'ireo toerana ireo. Tena gafy sy sabôtazy ankitsirano ity nitranga ity ary fahasahiana tsy roa aman-tany, sabôtazy ekonomika sy politika,… Asa hoe ankasomparana tsotra sa misy baiko sy ambadika politika hoentina hamotehana ny Jirama sy ny famatsiany izay nanomboka niarin-doha saingy somary nihamafy indray ny fahapatahana tato ho ato ? Misy ireo dingana samihafa natao na mbola ho atao toy ny fanamboarana ny andrin-jiro izay haverina amin’ny Fanjakana na orinasam-panjakana ka sanatria mety hasosorana vokatr’izany ve no ao ambadik’itony ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

250 tapitrisa dolara no andrasana

Card image cap
29-mai-2026

nampanantenaina tao Ambositra

Card image cap
29-mai-2026

artifisialy ilay teny Ambohimalaza

Card image cap
28-mai-2026

vahoaka ary hajaina ny heviny

Card image cap
28-mai-2026

mpiara-miasa ny depiote sy ny Ben’ny tanàna"

Card image cap
28-mai-2026

dia midika fa forongony..."

Card image cap