Tapaka tanteraka ny rano ary tsy mbola nisy ny fanazavana matotra nentin’ny orinasa JIRAMA hoy ny fitarainan’ireo mponina. Mahatsiaro ho sorena vokatr’izany ireto farany hoy ny vaovao ka tsy misy mifampiera intsony fa avy hatrany dia miditra any amin’ny tananan’ireo manana vovon-drano. Tratry ny barofo mihitsy ireto farany. Samy mila rano avokoa mantsy ny isan-tokantrano eny fa na dia handrahoan-kanina fotsiny aza. Izany fanasan-damba sy fanadiovana ireo karazana kojakojan-tokantrano izany moa dia tsy misy intsony. Izay rano hohanina sy hisasana sisa no hatao laharam-pahamehana ho fanavotana ny aina sy ho fampandehanana amin’ny fiainana andavanandro. Nanambara moa ireo mponina fa raha mitohy izao krizin-drano iainan’izy ireo izao dia mety hitohy any amin’ny fitokonana faobe ihany mba hahatonga saina ny orinasa JIRAMA.
Pati
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny