airtel

Actualités

28-juil-2022

Actualités

Sahan’i Tsingoritelo “Nambolena ala honko 5000 isa”

Sample post image

Tontosa ny 26 jolay 2022 teo ny andro iraisampirenena ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fikoloana sy fitehirizana ala honko.

28-juil-2022

Toy ny isan-taona, dia nohamafisina ny fiarovana izany ao Tsingoritelo, atsimo andrefan’I Madagasikara. Marefo tsinona ny ala honko ao an-toerana vokatry ny fampiasan’ireo mponina ao an-toerana izany tafahoatra. Zanaka mangrovy na ala honko miisa 5000, noho izany, no natsatoka tao amin’ny sahan’I Tsingoritelo. Miisa 120 ireo olombelona nandray anjara tamin’izay fambolena ala honko tao an-toerana izay. Isan’izany ireo voakasiky ny vovonana fiarovana ny zaza sy ankizy ao Toliara, ry zareo avy ao amin’ny Bel Avenir, ireo mpilatsaka an-tsitrapo iraisampirenena, ireo tanoran’ny Bloco Malagasy ary ireo hafa rehetra mifandray amin’ity tetikasa ity, hoy ny fampitam-baovao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap