airtel

Actualités

07-mai-2024

Saika tsy tafafoha maraina aho

androany, fa tena mamy dia mamy tokoa izay nofiko alina izay.

Sample post image

Moa tsy tahaka ireny migalabona fandrosoana sy fiadanana any amin’ireo firenena « Nordique »

07-mai-2024

toa an-dry Filande, Danemark, Norvezy,… izay tena mampitsiriritra amin’ny resaka filaminana sy ny fandriampahalemana, ny fiahiana ara-tsosialy avy amin'ny fanjakana, ny habetsahan'ny karaman'ny mpiasa, ny fahafahana mitsabo-tena, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fanajana ny zon'olombelona sy ny zon'ny mpanjifa,… Tena nahatsiaro ho niaina fahasambarana teto Gasikara. Endrey izany fisoneniky tantsaha fa voatsinjo amin’ny lafiny maro : famatsiam-bola hoenti-mamokatra, masomboly, fampiofanana manara-penitra, fampitaovana mifanaraka amin’ny teknolojia,… Mandry fahalemana izay tsy izy, tsy mipenimpenina etsy sy eroa fa efa mazava ny làlam-barotra fa ny vokatra aza no tsy ampy. Ny làlana hamoahana ny vokatra moa amin’izany efa tena tahaka ireny lalambe migodana any Eoropa satria tsy nisy nanodinkodina ny volan’ny Fonds Routiers, nafoin’ny Fanjakana avokoa ireo kirendrarendra mambotry fa tsy mba mamorona harena. Ny vahoaka an-tanan-dehibe efa tsy lany andro mifoha amin’ny 11 ora alina hitaty tsikan-dranon’ny Jirama fa nahita vahaolana mahomby, ny herinaratra efa tena milamina satria nahavokatra mihoatra an’ilay 400MW nampanantenaina sady amin’ny vidiny mirary,… Indrisy anefa fa hay nofy niserana sy fiadanana nandalo tao anatin’ny torimaso ny ahy ! Asa rahoviana re vao hivadika ho tena izy !?
Tia Tanindrazana

 

Dans la même rubrique

18-févr-2026

Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina

Card image cap
18-févr-2026

Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana

Card image cap
18-févr-2026

Manohy ny fanoloran-tenany amin'ny

Card image cap
17-févr-2026

vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika,

Card image cap