Nopotehin'ny mpitondra Cyclo-pousse ny Lapan’ny tanàna. Io toerana io izay fotodrafitrasa miavaka, toy ny vakoka ao Manakara. Antony ny fanehoan'izy ireo ny fanoherana ny lamina napiharin'ny Polisy Monisipaly. Nidina an-dalambe ireo, ary nitokona, nanakan-dalana nanoloana ny Lapan’ny tanàna izy ireo omaly atoandro, ary nitohy tamin’ny famotehana fananam-bahoaka. Tapitra vaky ny ankamaoroan’ny fitaratra, tafiditra tany anatiny vato maro hany, ka potika hatramin’ny fitaovana samihafa tany anaty birao. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nanaparitaka ireo mpirotaka, tamin’ny baomba mandatsan-dranomaso. Tena tsy azo nalamina sy tsy vita tamin’ny fifampiresahana ve fa tsy maintsy tonga amin’ny famotehan-javatra tahaka izao ? Moa tsy efa endrika fipoahana ara-tsosialy noho ny sehatra sy zavatra maro tsy voafehin’ny manam-pahefana ihany koa ve itony ka mirefotra rehefa tena feno ny kapoaka ?
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny