airtel

Actualités

14-févr-2023

Actualités

Sambokely Maorisianina nisy olana Avotra ireo tanora vao erotrerony efatra

Sample post image

Taorian'ny antso vonjy nalefan'ny Maorisianina miisa 4 tao amin'ny sambo izay nentin'izy ireo, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny tafika an-dranomasina Malagasy ny alahady 12 febroary, hoy ny fampitam-baovao.

14-févr-2023

Saika handeha hanjono tamin'irony sambo kely haingam-pandeha na "Speed Boats" irony izy ireo ary efa tamin'ny 5 febroary no niala tao Grande Baie (Maorisy). Nisy anefa ny antso vonjy izay nataon'ny iray tamin'ireto tanora ireto izay eo anelanelan'ny 22 hatramin'ny 36 taona. Raha ny nolazain'ireto zatovo ireto dia nisy ny fahasimban'ny milina mampandeha ny sambo ka noviravirain'ny onjan-dranomasina sy natosiny nanamorona ny sisin-tanin'i Madagasikara ilay sambo kely. Novinavinain'ireo mpamonjy voina sy ny tafika an-dranomasina ny lalana sy ny toerana mety nisy azy ka raikitra ny famonjena ireto farany. Nifanome tanana tamin'ny fandrindrana sy fanavotana azy ireo teo anivon'ny CROSS La Réunion, ny JRCC Mada, ny CRFIM (Centre Régional de Fusion des Informations Maritimes), ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale). Ny sambo mpitatitra kaontenera Hasted no nandray azy ireo ary nafindra tamin'ny Patrouilleur Côtier Malaky an'ny Tafika an-dranomasina. Tonga soa aman-tsara teny amin'ny seranan-tsambo an' Antsiranana izy ireo omaly maraina, ary natolotra ny tompon'andraikitra ny fanohizana ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana azy ireo, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap