airtel

Actualités

01-juin-2023

Actualités

Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara

Sample post image

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

01-juin-2023

Toraka izany koa ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny aretim-bavony. Nanala ny adidiny nampahafantatra izany ny Sampana Fanantenana omaly tetsy Analakely, nanoloana ny tsangambato Jean Ralaimongo. Nisy mihitsy ny resaka kely nifanaovany tamin’ireo tanora sy olon-dehibe nandalo teny an-toerana ka anisan’ireny ny fandraisana zava-mahadomelina toy ny roro izay mihanaka tanteraka ihany koa eto amintsika. Ankoatra ny sampana fanantenana moa dia nitety sekoly nanentana ireo tanora mpianatra ihany koa ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo omaly. Nambarany nandritra izany fa raha vantany vao zatra miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina ny olona iray dia lasa manaotao foana ary tonga hatrany amin’ny fangalarana sy fisolokiana amin’ny manodidina izany. Fantatra moa fa hatsangana ny fikambanana hivondronan’ireo ministera isan-tsokajiny hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika. Nankalazaina omaly Alarobia 31 may ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny tsy fifohana sigara.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap