airtel

Actualités

11-janv-2024

SAMPANA MPAMONJY VOINA

Nanamboatra ireo « bouches d’incendie» hanavotana ny haintrano

Sample post image

Misy hatrany ny haintrano eto an-drenivohitra sy ny manodidina isan’andro

11-janv-2024

na dia ao anatin’ny fotoam-pahavaratra , heverina ho mahabetsaka ny orana aza isika. Mety ho avy amin’ny court circuit mantsy izany raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra nefa mety ho avy amin’ny fampiasana labozia hanazavana ny ao an-tokantrano ihany koa rehefa sanatria tapaka iny ny jiro….Miezaka hatrany ny sampana mpamonjy voina manoloana izany manatsara ny fomba fiasany hahafahana manavotra ireo fianakaviana lasibatry ny haintrano. Bouche d’incendie miisa 40 omaly no namboarin’izy ireo ka ankoatra ny teny Analakely misy ny toeram-pisakafoanana Zaimaika dia nasiam-panamboarana ihany koa ny teny Anosy. Raha araka ny fantatra mantsy dia lasa hataon’ny olona sasany fatsakan-drano ireny bouche d’incedie simba ireny hany ka miitatra hatrany ny fahavoazany. Tanjona ny mba hahafahan’izy ireo misintona rano sy miasa avy hatrany raha sanatria ka misy voina mitranga eny amin’ireny toerana ireny fa tsy hiandry ny fokonolona hatsaka rano etsy sy eroa vao hamono ny afo, fotoana efa tokony hahavitana mamoaka ny entana…
Pati
Legende : Mihetsika ny sampana mpamonjy voina hahafahana miady amin’ny haintrano !

Entrer


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap