airtel

Actualités

23-sept-2024

Saran’ny « internet » midangana

Mikoroso fahana ny tontolon’ny asa ampitain-davitra

Sample post image

Tsy hoe mampikaikaika fotsiny fa tena mampijaly mihitsy ankehitriny ny politikan’ny fitsitsiana

23-sept-2024

voatery hidiran’ireo mbola misafidy na voatery hanatontosa asa ampitain-davitra na «travail en ligne» eto Madagasikara, raha ny fitarainana sesilany voaray hatramin’izay nidanganan’ity saran’ny fifandraisan-davitra eto amintsika ity. Iaraha-mahalala fa nalatsak’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na «opérateur téléphonique» miisa 3 eto amintsika ho miiba 3 heny eo fara-faha keliny moa ny tolotra omen’izy ireo ankehitriny, raha mitaha amin’ny teo aloha. Tsy misy na inona na inona efan’ny fitondram-panjakana manoloana izany nefa hatramin’izao na dia efa niova aza ny minisitra tomponandraikitra. Very an-javony koa ny asam-baomiera teo anivon’ilay hoe vaomiera misahana izany teny anivon’ny antenimieram-pirenena. Nilaza fa hanasazy na handray fepetra ireo orinasa tsy mampidina izay saran’ny fifandraisana izay teo ny fitondram-panjakana nefa tsy hita akory hatramin’izao. Miha mifanakaiky ny fandaniana sy ny vola miditra amin’ireo mpiasa amin’ny fifandraisan-davitra toy ny aterineto. Zara raha misy tombony, hoy ny fitarainana maro, sisa. Miandry fitondram-panjakana mahefa, araka izay anarana izay, noho izany, raha tena hahavita hanaporofo fa mahefa amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra mpanararaotra mpanjifa ankehitriny tokoa izy ireo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap