airtel

Actualités

10-févr-2026

Saran’ny internet

Mitohy ny ezaka, hanamafy

Sample post image

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

10-févr-2026

Tombanana ho -43% amin’ny ankapobeny ny fihenan’ny saran’ny tolotra internet teto Madagasikara raha ampitahaina ny novambra 2025 hatramin’ny janoary 2026, ka ny tolotra madinika sy antonony no tena hita taratra. Raha taloha 220 Mo ohatra no azo amin’ny 1.000 AR, dia lasa 1 Go izany. Yas sy Orange nampiditra bonus mifandray amin’ny serivisy ara-bola, raha Airtel kosa nitazona ny tombony amin’ny fatra Go lehibe kokoa... Zava-dehibe ny dingana vita, ary irariana hitohy satria tsy azo hodian-tsy hita ny mbola fitohizan’ny fimenomenonan’ny vahoaka na eo amin’ny kalitaon’ny tolotra, na ny faharetany, eny fa na ny sarany aza,… dia tena tsy mbola mahafa-po. Manao ahoana ihany koa ny kajy amin’ny tokony mba hampidinina ny saran’ny tolotra ho an’ireo manao fandaniana ambony toy ny orinasa ? Tsy mipetra-potsiny ihany koa anefa ny Fanjakana, fa manamafy ny fanaraha-maso. Mitohy ny ezaka, hisy ny fanafarana fitaovana manokana handrefesana sy hanaraha-maso ireo asa sy hetsika ataon’ny « opérateurs », hanaraha-maso ireo fifandraisana elektronika ary indrindra ny kalitaon’ny tolotra internet atolotr’izy ireo, araka ny fantatra nandritra ny filan-kevitry ny ministra farany ny 05 febroary 2026 teo. Nanamafy ihany koa ny Fanjakana fa hosokafana amin’ny « opérateurs » hafa ny sehatra, mba hampiroboroboana ny fifaninana ara-drariny ka hitondra fanatsarana ny tolotra sy fihenan’ny vidiny ho an’ny mpanjifa. Noraisina noho izany ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana laharana faha 2023-351 tamin'ny 05 aprily 2024, manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2014-1650 tamin'ny 21 ôktobra 2014 mamaritra ireo dingana sy ireo fepetra ampiharin'ny "Agence de Régulation pour la Règlementation du Secteur des Télécommunications" na ny ARTEC, ny didim-panjakana laharana faha 2014-1651 tamin'ny 21 oktobra 2014 mikasika ny fitsipika mifehy ireo tambajotra sy ireo tolotra fifandraisan-davitra, sy ny didim-panjakana laharana faha 2014-1652 tamin'ny 21 ôktóbra 2014 momba ny "cadrage de mutualisation" eo amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap