airtel

Actualités

14-mars-2024

Sarimihetsika Lav’alina

Hitondrana fijery vaovao ny sarimihetsika malagasy

Sample post image

Tanjon’ny Manjaka sary Production, hoy ny tomponandraikitra voalohany

14-mars-2024

eo anivon’ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity, Manjaka, ny hitondrana fijery vaovao izany antsoina hoe «Sarimihetsika malagasy» mba tsy ho tantaram-pitiavana na ravozana miady amin’ny vinanto foana no ao an-tsain’ireo mpijery rehefa miresaka hoe sarimihetsika malagasy. Taorian’ireo fitetezam-paritra vita, noho izany, dia ho alefa ao amin’ny CC ESCA Antanimena indray ilay sarimihetsika novokarin’izy ireo mitondra ny lohateny hoe «Lav’alina». Tonga dia ho jerena anaty 1 ora sy 40 minitra fa tsy elanelanina dokam-baritra ny sarimihetsika, hoy ity mpamokatra sarimihetsika ity, fa tsy elanelanina dokam-barotra na ilay amin’ny 11 ora maraina io na ilay amin’ny 2 ora tolakandro. Tantarana lehilahy mpikarama an’ady izay tsy nahafa-po ny mpampiasa azy ka nahatonga ity farany hamono ny vadiny izy io, hoy ny fanazavana, raha tsiahivina, ka rehefa izany dia niala tamin’io asa io ilay mpikarama an’ady. 2 taona taty aoriana, rehefa niova fitadiavana tanteraka tany ambanivolo anefa ity mpikarama an’ady ity dia nisy olona very zandry nila azy tanteraka ka teo no nitsimbadika indray ny tantara. 6 volana no nanodinana ny sarimihetsika ary mahatratra 70 isa ireo mpilalao ao anatiny. Saika natao tamin’ny alina kosa ny androatokon’ny fanodinana na «tournage» ary izay no maha lava alina azy. Fitatra Manaja kosa no teo amin’ny fanatontosana ary nanodidina tany amin’ny 45 tapitrisa Ariary tany no lany nanodinana ity sarimihetsika ity. Hatramin’ny nivoahany voalohany na «Avant première» ny 7 jolay 2023 tao amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka no mankaty dia mbola ity ihany aloha izany no sarimihetsika tokana novokarin’ny Manjaka Sary na dia efa hatramin’ny taona 2008 aza ireo ekipa ao aminy no tafavory, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap