airtel

Actualités

05-sept-2024

SAVOROVORO TAORIAN’NY FAMADIHAN-DRAZANA

Tovolahy iray nisy nitoraka tamin’ny vato, tapaka ny nifiny

Sample post image

Tovolahy iray tokony ho 24 taona no fantatra fa naratra mafy noho ny savorovorom-piarahamonina

05-sept-2024

nitranga tao amin'ny fokontany Ambalantsotry, distrikan’i Mandritsara rehefa vita famadihan-drazana ny datin’ny 02 Septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha ny fitantaran'ity tovolahy ity dia niara-nisotro tamin’ny tanora namany izy tamin’izany. Rehefa samy nahazohazo toaka izy ireo anefa dia raikitra ny sakoroka ka voatoraka vato teo amin’ny vavany ity tovolahy ity. Torana tsy nahatsiaro tena vokatr’izany izy no sady tapaka ihany koa nifiny iray. Avy hatrany dia nentina namonjy hopitaly ny anaolahy taorian’izany. Teo an-daniny dia efa voasambotra ilay tovolahy namany nahavanon-doza izay fantatra fa olona efa tsy madio intsony eo anivon'ny fiaraha-monina misy azy. Omaly Alarobia 04 Septambra moa no natao fanadihadiana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana ilay nahavanon-doza.
Nangonin’i Pati
Legende : Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ilay lasibatra !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap