izay nanao fihetsika tsy dia mendrika loatra. Nisy naka sary teo am-pikasihan-tànana mpamily fiara fitateram-bahoaka mantsy ity loholona ity. Na inona na inona antony, tsy dia mendrika loatra ny fanaovana herisetra. Na ireo mpomba ny fitondrana aza vaky vava, hoe: “Zoky Raiamandren’ny firenena! Ohatran’ny tsy dia mety ny mikasi-tànana, fa tsy misy ambony lalàna raha eto Madagasikara. Anjaran'tsika no manome ohatra ho an'ny vahoaka fa tsy entina hanaparan- pahefana akory izany. Aoka isika no modely voalohany amin'ny fitondrana”, hoy ny fanehoan-kevitra. Tena hafahafa, ary mampanongo tena satria tsy olon-tsotra fa manam-pahefana “Loholon’I Madagasikara”. Asa izay mety ho fanazavana na fandisoana hataony, fa ny fitsaran’ny maro azy aloha dia nanao fihetsika tsy mendrika ity “Loholona” ity. Tsy vao sambany anefa no nahitana manampahefana manao fihetsika mamohehitra sy mitondra tena ho ambonin’ny lalàna: misy ny tsy menatra miteny ratsy sy manopa olona, ao ny voasaringotra mivantana na ankolaka amin’ny fandripahana ala saingy tsy mamaly tsotr’izao ny fampanantsoan’ny Bianco, ao ny toa fampanantenana poakaty ny 80% amin’ny zavatra ambarany,… Ampahany ireny fa tsy vaovao intsony ny fisiana manam-pahefana sy mpitondra ambony manaonao foana, saingy toa efa noboriboriana amin’ny hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitoraka-bato azy. Tsy finiavana hanakiana na tsy fitiavana ilay olona sanatrian’ny vava, fa tena be loatra ny fitondran-tena sy fihetsika mamohehitra, toa ifaninanana ao anaty Fitondrana.
Toky R
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”