airtel

Actualités

10-juil-2026

SECES Sampana Antananarivo

« Very fanahy mbola velona ny ambanilanitra »

Sample post image

Nivoaka tamin'ny fahanginany ny SECES

10-juil-2026

Sampana Antananarivo taorian’ny fiparitahan’ny vaovao momba ny fahaverezan’olona misesisesy manerana ny Nosy, indrindra fa ny ankizy sy ny tanora. Araka ny fanambarana natao ny 9 jolay 2026, maneho fanaintainana lalina ny SECES manoloana ny tranga mampivarahontsana sy mampanahy ny fiarahamonina. Nilaza ny fikambanana fa “very fanahy mbola velona ny ambanilanitra”, manoloana ny tebiteby sy ny alahelo amin’ny fikarohana ireo olona tsy hita popoka. Nanamafy ihany koa fa tsy misy fampijaliana mahatsiravina mihoatra noho ny fangalarana olona sy fakana taova, izay manohintohina ny maha-olona sy manimba tanteraka ny hasin’ny fiarahamonina Malagasy. Nampitandrina ny SECES fa raha mitohy izany dia mety hitarika amin’ny fanandevozana vaovao sy hanimba ny fototra maha-tany sy maha-firenena an’i Madagasikara. Ankoatra ny antso ho amin’ny andraikitra, dia manainga ny vahoaka Malagasy ny SECES mba ho tony sy ho malina tanteraka, tsy ho lasa fitaovana amin’ireo vondrona manararaotra ny tebitebin’ny olona sy ny alahelo. Noho izany, miantso ireo tompon’andraikitra amin’ny sehatra rehetra mba tsy hionona amin’ny fanambaràna fotsiny, fa handray andraikitra hentitra amin’ny famotorana sy fanenjehana ireo tompon’antoka amin’ireo tranga mahatsiravina ny SECES. "Famongorana amin'ny fotony ireo tranga ireo no andrasan'ny vahoaka Malagasy amin'ny Fitondrana mahefa sady Fitondrana miaramila fa tsy hionona amin'ny fisamborana ireo trondro madinika fotsiny ihany", hoy ny SECES Sampana Antananarivo.
Toky R

 

Dans la même rubrique