fa vonona ny hanampy ny zandary mba hivoahan’ny marina, efa nisy ny fanadihadiana nataon’ny zandary ary efa napetraka any amin’ny Fitsarana. Isan’ny mpiantsehatra voalohany tao anatin’ity raharaha ity moa ny zandary, izay efa nambaran’ny SEG fa nanara-dalàna tanteraka tao anatin’ny fiarovana ny toby. Tsara ny mampahatsiahy, fa teo aloha dia somary nampifanditra azy sy ny depiote Brunelle ny raharaha Ikongo sy ny tontolon’ny mpitandro filaminana dia ny fanehoan-kevitra momba ny tokony hanafoanana ny zandarimaria, ka nilzan’ny SEG mihitsy tamin’izany hoe: alefaso ary ny tolo-dalàna hanafoanana azy. Ny raharaha Ikongo, raha nilaza ny SEG fa tao anatin’ny faritra mena no voatifitra ireo olona, dia naneho kosa ny depiote Brunelle izay marihina fa manamboninahitra ambonin’ny polisy fa efa voatifitra ireo olona vao nafindra ny tady mena raha ny nambaran’ireo vahoaka taminy. “Voka-dratsina zavatra maro be ity nitranga tao Ikongo ity fa tsy fototra niaingany, ka mila sitranina mba tsy hiverenana intsony”, hoy ny SEG omaly. Nambarany fa isan’ny tena nanjakan’ny fitsaram-bahoaka ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ohatra iray noraisiny ny tamin’ny 15 aprily 2016 tany Nosy Varika izay nalehany, olona im-pito naterina tany amin’ny tribonaly saingy votsotra, ka nalain’ny olona ary novonoina. Tao anatin’ny faritra Vatovavy Fitovinany dia nahatratra 36 ny olona matin’ny fitsaram-bahoaka nanomboka ny 2016, izay vitsy no tonga tany amin’ny zandary, zandary iray maty, zandary iray naratra, raha ny nambarany. Ho an’Ikongo manokana, nahatratra 26 ny fitsaram-bahoaka izay betsaka indrindra.
Fanombohana mba hanatsarana ny fitandroana ny filaminana ny fanadihadiana ny raharaha Ikongo, ka ny zandarimaria dia mankasitraka izany, hoy ny fanamafisan’ny SEG. Voalaza moa fa tazonina any am-ponja any Fianarantsoa ireo voarohirohy amin’izao, ka anisan’izany ireo zandary.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny