Nandritra izany no nanaovan'ny Minisitry ny indostria Edgard Razafindravahy antso ny Sehatra tsy miankina handray an-tanana ny famokarana angovo ho ampiasainy. Atao mazava tsara ny fifanarahana dia apetraka ny tetiandro hanatanterahana azy. Isaky ny telo volana dia atao ny tomban’ezaka ahitana ny asa vita sy ny fifanarahana voahaja. Nanaitra ny mpandray anjara tamin’ity Fiaraha-midiniky ity Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina ny Minisitra mba tsy hisalasala lava. Nohamafisina tao fa mila fahavononana ny fampandrosoana ara-toekarena an'iMadagasikara. “Mba ny Sehatra tsy miankina mihitsy no mandray an-tànana ny hoaviny amin'ny famokarany ny angovo ampiasainy mba tsy ho tratry ny tsy fahatomombanana amin’ny tsy fananana na tsy fahampian’ny angovo”, hoy ny Minisitra. Anisan’ny fifanarahana tamin’ny 28 Marsa 2022 ka anaovana jery todika amin’izao fiaraha-midinika etsy Anosy izao izany. Maro ny hevitra nivoaka nandritra ireo fiaraha-midinika rehetra teo aloha hirosoana amin’ny fanatsarana ny tontolo ara-toekarena sy fampiasam-bola eto Madagasikara. Ohatra amin’izany ny fanalefahana ny hetra sy ny fanatsarana ny rafitra aman-dalàna ary ny fanohanana ny sehatra tsy miankina eo amin’ny fahaleovan-tenany amin’ny angovo. Naneho ny fahavononany ny fanjakana amin’ny fandraisana sy fanatanterahana ny anjara andraikiny manoloana ireo fehin-kevitra tapaka nandritra izany dinika izany. Manamarika izany indrindra ny asa rehetra efa miroso eo amin’ny famolavolana ny fanatsarana ny rijantenin-dalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny mifehy ny tontolo indostrialy.
Jean D.
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”