Mifarana anio any Sharm El-Sheik any Egypte ny Fihaonam-ben’ny Vondron’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), ho an’ireo governora. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison no mitarika ny delegasionina Malagasy any an-toerana, ka isan’ny tazana ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha izay lasa mpanolontsain’ny Filoha Atoa Patrick Rajoelina, ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny EDBM Rtoa Lantosoa Rakomalala. Nandritra io no nandraisana ilay amboara ho an’ny Filoha Rajoelina, izay nambara fa voahosotra ho mpanangana lehibe aty Afrika na “Grand bâptiseur”. Nandritra ny fivoriana, nandray fitenenana amin'ny maha Governora azy ny Minisitry ny toekarena Malagasy, ka nohamafisiny fa ilaina ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo aty Afrika amin’ny fiantsoana ireo mpamatsy vola tsy miankina. Nomarihany fa mihatra aman’aina izany filàna angovo izany. Nosinganiny manokana i Madagasikara izay afaka mamokatra herinaratra 2000 KW amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro sy 7.388 MW amin’ny alalan’ny rano. Mahakasika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro indray, dia nanamafy ny fanazavana nentin'Andriamatoa Adesina AKINWUNI, Filohan’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana, ny tenany ka nilazàny fa mitohy hatrany ny ady atao amin’izany, indrindra fa 4%n’ireo "Gaz à Effet de Serre" ihany no avy eo amin’ny kaontinanta nefa dia ireo firenena ao anatiny no mizaka ny mafy indrindra. Nisaotra manokana ny BAD izy arak’izany amin’ny fametrahana ny «Fenêtre d’Action Climatique», entina hanampiana ireo firenena an-dalam-pandrosoana, hoy hatrany ny tatitra. Anisan’ny lohahevitra noresahana nandritra ity fivoriana ity ihany koa ny fanjariana ara-tsakafo, ka nilazan’Andriamatoa Adesina AKINWUNI fa tsy rariny raha mahatratra 280 tapitrisa ireo afrikanina tsy misakafo nefa ny 65%n’ny taniny dia azo hambolena. Nanentana izy, arak’izany, fa mbola ilaina ny fanampiana ireo firenena mandrafitra an’i Afrika ho amin’izany. Ho an’I Madagasikara dia mbola henjana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo, ary vao nisy antontan’isa nivoaka aza vao andro vitsy fa mahatratra 155 000 ireo ankizy lasibatra.
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny