omaly teny amin’ny Mining Business Center Ivato, natrehin’ny Ministra tompon’andraikitra. Fantatra tamin’izany fa anisan’ny sehatra iray lehibe tsy nitsahatra ny nampidi-bola betsaka ho an’ny fanjakana Malagasy no sady nanatsara ny toe-karem-pirenena ny sehatry ny fitrandrahana sy ny fanondranana harena an-kibon’ny tany teto amintsika. Raha 97 miliara Ar mantsy ny lela-vola nampidiriny tamin’ny taona 2020 dia niakatra ho 260 miliara Ar izany tamin’ny taona 2021 ary tafakatra 327 miliara Ar tamin’ny taona 2022. Toraka izany koa ny fanondranana izay tsy nitsaha-niakatra ihany koa. Raha nanomboka tamin’ny 20% izany tamin’ny taona 2020 dia niakatra ho 34% tamin’ny taona 2021ary lasa 43,80% tamin’ny taona 2022. Anisan’ny nanamarin-toerana ny Ar sy mamporisika ireo mpampiasa vola hiara-kiasa amintsika izany hoy ny Ministra narahin’ny fangaraharahana hita taratra tamin’ny fomba fiasan’ny EITI. Mpiantsehatra maro moa no tonga teny an-toerana nanatrika izany tatitra nataon’ny EITI izany nahitana ny tale jeneralin’ny hetra… Nisy ihany koa mantsy ny fijerena ireo vola alohan’ny orinasa miantsehatra amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany. Toraka izany ny mpitrandraka sy ny mpikaroka ary ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena. Ny EITI moa raha tsiahivina dia mitaky ny hampahafantarana ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany mba hahafahan’ireo mpiantsehatra mahalala ny lalana sy ireo tokony hoataony amin’ny asa fikarohana sy famokarana, ny rafi-dalana, ny fitsipika ary ny fifanarahana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra tonga nanatrika izany omaly teny Ivato !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny