airtel

Actualités

12-déc-2022

Actualités

Seho « Zaza Rap Taiza » Nanjavona ny Macbook Pro an’ilay DJ

Sample post image

Samy taitra ny rehetra indrindra fa ireo mpanaraka sy mpankafy ny gadona Rap na HH taranja omaly alahady rehefa

12-déc-2022

 nahita tamin’ny pejy facebook n’i Melo J, nanambara fa very teo ambony sehatra tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny solosaina Macbook Pro 16 pouces, anisan’ireo hiaka farany satria vao nivoaka ny taona 2021.Antso no nataon’ity DJ ity ho an’izay manam-baovao na mety nahita azy io mba hampilaza , tsy misy ny arakaraka hoy izy.Ny tena raharaha dia voarakitra ao anatin’io solosaina io avokoa ny asa fitadiavana, hoy i Melo J na Jao ho an’ireo mahalala azy akaiky. Ny tena mahagaga dia fitaovana nampiasaina teo ambony sehatra ity nisy nitsaika ka nanjavona ity, ary mazava ho azy fa olona mahay tsara ny hasarobidiny sy ny zavatra maro mety ho vita aminy no naka azy. Mpiangaly Rap Malagasy maro no niaka-tsehatra ny sabotsy hariva teo nandritra ity hetsika Zaza Rap Taiza ity , fa teo ihany koa ny mpanakanto nafarana manokana avy any France dia i Nuttea sy Chilla. Misy ihany angamba ny fanamafisana ny fanarahamaso amina hetsiika goavana tahaka itony fa manjary tranga iray na roa no mety hanaratsy endrika ny ezaka nataon’ny mpikarakara efa ho herintaona mba hanaovana hetsika iraisam-pirenena goavana tahaka izao.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap