airtel

Actualités

23-janv-2024

Sendika FISEMARE

“Karama farany ambany 1.000.000 Ariary no tanjona!”

Sample post image

Tsy hijanona mihitsy ny tolona sendikaly raha tsy tratra ny tanjona,

23-janv-2024

hoy ny sekretera jeneralin’ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE, Mananandro Jean Raphael. Ny tanjona, hoy izy, dia ahoana no hisiana karama ampy sy mahavelona ny ankohonan’ny mpiasa? Ahoana no hisian’izany asa mendrika sy maharitra izany? Ahoana no hisian’izany fanajana zo sendikaly sy zon’olombelona izany? Mitohy ny tolona! Amin’izao moa izany dia ny mikasika ny fampiakaran-karama amin’ity taona ity. Mahavelombolo fa misy manohana ny antso nataon’ny FISEMARE hoe Andao hapetraka ilay karama mahavelona ka karama farany ambany 1.000.000 Ariary no tanjona! Efa mba misy mivoy sy miresaka izany. Antenaina mba ho izany resaka karama mahavelona izany no ho resaka mikasika ny fanondrotan-karama amin’ity taona ity. Raha sanatrian’ny vava tsy tratra izay tanjona izay dia hikarakara karazana atrikasa ho an’ny mpikambana FISEMARE fotsiny aloha izahay fa tsy hihemotra. Tsy maintsy hijoro hiady ho an’ny mpiasa malagasy tsivakivolo ny FISEMARE na sendika izy na mbola vao mikasa hiditra sendika. Tsy hoe mahazo minisitra vaovao dia hanantena fahagagana. Ngezabe ny olana misy eo amin’ny tontolon’ny asa ka raha ohatra ataontsika hoe ampihena ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny toeram-piasana ve ny fahazoana minisitra vaovao dia izay no hirariana? Tokony hahavita ny minisitra raha tena te hanao ary tsy maintsy miara-miasa ny 3 tonta dia ny sendika sy ny mpampiasa ary ny minisitera, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap