sivily eto Madagasikara na SYNAD raha nanatontosa izay fivoriamben’izy ireo izay tetsy Anosy omaly. Manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, hoy ny filohan’izy ireo, Paolo Emilio Raholinarivo, dia tsy handray ny lamba tsy manandrify anay izahay. Nofanina momba ny fifidianana izahay, hoy izy. Olana ara-pifidianana no misy eto Madagasikara. Vonona ny administratera sivily raha atonona hanome traikefa hanampiana ny firenena amin’izay raharaham-pifidianana izay. Ny fisahanana ny lafin-tany no tena andraikitray. Eo ny solontenam-panjakana, ny prefe, ny lehiben’ny distrika. Izahay dia tsy hanao zavatra mihoatra ny voasoratra ao anatin’ny lalàna. Hampanara-dalàna izahay satria tsy tia lainga ka hikirakira ny voka-pifidianana araka ny lalàna misy dia ny hampitovy lenta ny kandida rehetra amin’ny fanehoan-kevitra, ny fiarovana azy, ny fikirakirana ny fandaminana rehetra. Ho tandrovanay toy ny anak’andriamaso ny filaminana. Tsy anjaranay ny mitsara an’i Rakoto na Rabe na Raketaka na Rasoa. Ny fampanarahana lalàna sy fijoroana amin’ny fahamarinana no anjaranay. Izahay no mitana ny anjara kofehin’ny fanjakana. Izahay no andry farany na “dernier rempart” eto amin’ny firenena. Aza asiana gidragidra! Miantso ny namana rehetra izahay! Fadio toy ny fady rehetra ny mitanila amina antoko na amin’olona, ny mampiasa fitaovam-panjakana, melohinay raha ato amin’ny minisiteran’ny atitany no misy manao izany. Mety ho be ny fahavoazana eto amin’ny firenena raha mitohy izao fihetsiketsehan’ny andaniny sy ankilany izao hatrany amin’ny fifidianana. na Ara pitaovana io na arak’olona. Tandindonin-doza ny fiainan’ny solontenam-panjakana raha tsy milamina mandra-pahatongan’ny fifidianana io. Tokony hahita marimaritra iraisana ny roa tonta ho tombontsoa ny firenena. Ny vahoaka no ho faty raha tsy hita ny marimaritra iraisana, hoy hatrany ny SYNAD .
J. Mirija
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,