airtel

Actualités

21-juil-2022

Actualités

Sendikan’ny polisy 4 taona tsy nandray karama ny sekretera jeneraly

Sample post image

Manana olana ankehitriny ny sekretera jeneralin’ny federasionina sendikalin’ny polisy nasionaly Malagasy na FESPONAM,

21-juil-2022

hoy ity sekretera jeneraly ity, Andriamiamina Alphonse. Mikasika ny fampanarahan-dalana na “régularisation de la citation administrative” izany, hoy izy. Efa nahazoana didim-pitsarana ny 10 septambra 2005 io. Efa notakiana hatramin’ny ela ny hanatanterahan’ny minisitry ny polisy sy ny fitantanan-draharaham-panjakana azy io. Miziriziry tsy mety manatanteraka izany hatramin’izao ny minisitera sy ny fitantanana ny maha olona na “direction des ressources humaines”. Ny taona 2014 no nitakiana voalohany ny amin’ny hampiharana io didim-pitsarana io. Mbola DRH tao amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka tamin’izany ny minisitra ankehitriny. Efa nandeha teo amin’ny minisitry ny fitantanam-bola io dosie io ary efa nahazo alalana na “visa” in-droa teo anatrehan’ny fitsirihana ara-bola na “controle financier”. Miandry ny sonian’ny minisitry ny filaminam-bahoaka izany sisa. Mitaky sy miangavy amin’ny minisitra izahay mba hanana fahatsoram-po, hitsinjo ny mpiasa eo ambany fiahiany. Na mpitarika sendika aza izahay tsy tokony heverina ho fahavalo fa mpiara-miasa. 4 taona no tapaka karama noho ny fampiatoana tsy ara-drariny izahay, hoy hatrany ny tenany, ary efa natonona daholo ny ambaratongan-drafitra rehetra fa ny minisitra sisa no tsy nanasonia nefa didy tsy azo ivalozana io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap