Maratran-dReniny hatrany ity zaza ity isan’andro hoy ny vaovao. Maty daroka, tsongo, raha efa norarahany rano mahamay ihany koa ny fivaviany, tranga izay niainany isan’andro. Feno ratra avokoa ny vatan’i Lefitra noho izany. Na izany aza mbola novelesin-dReniny efa saika tsy nisy aina intsony izy teny an-tanimbary ka vehivavy iray no nitondra azy namonjy ny hopitaly ary nampandre ny mpitandro ny filaminana. Voatery nanaovan’ny zandarimariam-pirenena fanadihadiana ilay Reniny noho izany ka nambarany fa maditra hono i Lefitra. Nangalatra 1.000 Ar hono izy, tranga izay mety hoataon’ny ankizy rehetra. Manan-jandry lahikely anefa i Lefitra raha zanaky ny Reniny manokana kosa izy. Raha araka ny fantatra moa dia tapaka ihany koa ny tanan’ity zaza ity, folaka ny tongony sy lohalikany vokatry ny hazo mafy nikapohana azy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Vatofotsy moa ity zaza tsy manan-tsiny ity amin’izao fotoana izao. Raha araka ny fantatra hatrany dia hoentin'ny dadabeny hody any Andranovorivato izy rehefa sitrana soa amantsara. Miantso ireo malala-tanana afaka hanampy an’i Lefitra kely araka izany ny Ben’ny tananan’Ambositra renivohitra mba hifanome tanana amin’izy ireo.
Pati
Legende : Tahaka izao no nanjo ilay zaza tsy manan-tsiny
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny