airtel

Actualités

17-janv-2025

Seranantsambon’i Toamasina

Fitaovan’ny Jirama 8 kaontenera ataon’ny ladoany lavanty...

Sample post image

Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,

17-janv-2025

ao anaty kaontenera valo, any amin’ny Seranantsambon’i Toamasina. Ireo entana ireo dia entana tsy mbola navoaka amin'ny alalan'ny fahafahana ara-ketra na « dedouanement », araka ny fanambarana navoakan'ny Sampan-draharahan'ny Ladoany (DGD). Ity fifanarahana amin'ny fivarotana fitaovana sy kojakoja elektrika ity izay arahina fepetra manokana. Natokana an'ny orinasa miasa amin'ny sehatry ny famokarana sy fizarana herinaratra ho an'ny vahoaka ihany. Ny fanesorana amin'ny kaontenera dia mifandray amin'ny fandoavana ny vola fiantohana amin'ny orinasan-tsambo. Tokony hoesorina tsy misy fetra ireo entana miaraka amin'ny kaontenera ao anatin'ny 48 ora aorian'ny fanomezana ny taratasy fanekena hanao izany. Raha tsy izany dia hisy sara amin'ny fitahirizana izay haloa. Ireo entana ireo dia ho amidy amin'ny fepetra tsy misy saran-dalana sy vola rehetra lany amin'ny fitahirizana azy ireo sy tsy misy hetra na vola fanampiny raisin'ny ladoany. Ary izany dia miaraka amin'ny fahafahana ho an'ny mpividy hanao izay tiany amin'ny toerana rehetra eken'ny lalàna sy fitsipika manan-kery. Fanontaniana mipetraka hatreto ny hoe : Ampahany tamin’ireo entana voafaritra fa hanaovana ny tetikasa momba ny angovo azo havaozina 50MW izay nihitsoka tao amin’ny seranantsambo tao anatin’ny herintaona ve ireto atao lavanty ireto ? Ireo entana izay ny Filoham-pirenena no nitsena azy tao Toamasina ny aprily 2024 ary ny Praiminisitra no nitarika ekipa tany amin’ny Seranantsambo iray volana sy tapany na roa volana lasa teo izay nanao ny dingana hamoahana izany fitaovana izany tao Toamasina. Tsy nahavita nandoa ny volan’ny seranantsambo ve izany ny Fanjakana ka tsy maintsy hirosoana amin’ny lavanty ? Io ve tsy fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny Fanjakana sy Jirama ? Endrika maneho sy manamafy fa Fanjakana tsy matotra sy kitoatoa no eto hany ka ranolava ny fahafaham-baraka !
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap